Mbola sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Mety tsy ho ratsy tanteraka ilay mahazatra fa tsy ampy. Mety ho tsara ilay mahazatra fa afaka hatevenina ihany koa. Hatramin’izao, anefa, toa tsy hain’ny Malagasy ny mandrindra ny mahazatra amina fiovana hafa. Mahazatra ny mihira, mandihy… Hainy Malagasy rahateo izany. Fa, tsy « fahotana mahafaty » ny manatevina ny fahaiza-mihira sy ny fahaiza-mandihy amin-javatra hafa, toy ny fitaovana avy any ivelany hoenti-manamarina ny feo. Antony mahatonga ny Malagasy na ny tontolon’ny zavakanto sy kolontsaina handa ny fanatevenana sy fanatsarana ny hasarotam-piaro tafahoatra, na hakamoan-tsaina tsotra izao.
Manana ny safidiny ny tsirairay. Na izany aza, tsy manan-jo ny hanimba na hanova ny soatoavin’
ny hafa. Anisan’ny zava-dehibe hoenti-mitandrina amin’ izany ny fanajana ny « harena ny fahasamihafana ». Midadasika i Madagasikara. Misy karazana kolontsaina sy soatoavina maro ao aminy. Tsy voatery hitovy. Rehefa mipaika, ohatra, ny « tapi-mandry olona », ho an’ Imerina. Tsy tokony hisy tabataba intsony, heno, eny amin’ny fiarahamonina. Soatoavina iraisan’ny Malagasy rahateo ny fifanajana.
Manan-karena ny kolontsaina malagasy ? Hatramin’izao, anefa, tsy tena voaporofo izany. Ny hamaroan’ny kolontsaina ihany, no tena mampisongadina io fananan-karena eo amin’ny kolontsaina io. Noho izany, mila trandrahina fatratra ny lalana hanasongadinana ireny kolontsaina ireny. Iray amin’ireo laharampahamehana amin’ity taona 2026 ity ho an’ireo mpikirakira ny zavakanto. Mila omena vahana ny sehatra iraisam-pirenena. Hampahafantarina eo amin’io sehatra io ny fisian’ny kolontsaina sy zavakanto maro lafy eto Madagasikata. Efa vonona ny amin’izany ve, anefa, ny tontolon’ny kanto malagasy ?




