Hatramin’izao, tsy hita firy izay fanavaozana amin’ny fomba fanaovana politika. Misy ny mampiteny ny moana. Na mampitampim-bava izay tokony hiteny… Na iza na iza eo amin’ny fitondrana, tsy mety aminy avokoa. Eny, na inona na inona atao. Izy ihany no mahalala izay mety sy mahasoa ny firenena. Na hany mahay sy mahavita… Raha tsy izy no eo amin’ny fitondrana, tsy misy na inona na inona mandeha sy azo antenaina. Amin’izany, voatsikera mafy ny toeran’ny tomponandraikitra: mila olona toy izao na izatsy, saro-pady, tsy vita mora… Nefa izay no tena hirifany sy tsiriritiny. Izay ihany?
Tsy ahoany izay tombontsoa iombonana any. Indrindra izay hoe mahasoa ny firenena sy ny vahoaka… Hirahirainy ihany ny hoe fanavaozana, nefa izy tsy miezaka mihavao amin’izay lazainy sy ataony: mitsikera, manaratsy, manakivy… Izay hahazoana toerana ihany no be ao an-doha? Misy mahita sy milaza fa ny karazana mpilalao politika toy izany no anisan’ny maha be tsy andraofana ny antoko politika: miparitaka an-toerana ho azy fa samy te ho lohany rehefa misy ny fizarana seza, fatra-pitady marimaritra iraisana amin’izay atao rehetra, mpanararaotra karazana Tetezamita… Tsy hita sy fantatry ny vahoaka ve?
Tsy iza tsy aiza fa ireo tsy mpandray anjara mivantana amin’ny firotsahan-kofidina, ohatra, fa mpanaraka olona, mpisolelaka, sakaizan’ny mpandresy… Misy aza ny karazana mpikarama an’ady raha mirotsa-kofidina: mandray vola atsy sy aroa, fa ny ampahany kely ihany no mody ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra. Manohana mpitondra fa mivadika ho mpanohitra raha vao tsy mahazo seza. Tsy hita hosavisavisaina sy hotanisaina. Mbola misy ary hisy izany? Anjaran’ny vahoaka ny mandinika: iza no manao inona? Efa mba tokony hihavao amin’izay kosa…
R. Nd.




