Nankalaza ny Andro natokana ho an’ny manamboninahitra ny Tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena, omaly. Andro manan-danja sy manan-tantara ho azy ireo izany satria niantombohan’ny fahasarotam-piaro fa Malagasy hiady sy ho faty ho an’i Madagasikara. Andro tsy maintsy nijoroana nanoherana ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena.
Manan-danja ny omaly, fa tsy hijanona ho androm-pahatsiarovana akory. Tsy handalo ho tantara fa ho fanamafisana ny fiaingan’ity fitondra-miaramila ity izao. Iza no tsy nahatsiaro an’izany deba izany? Miaramila nahavita nametraka tantara na dia maro aza ny lesoka. Nipetraka ho maherifon’ny taninjanaka izy ary tsy ho voakosiky ny fanonganana sy ny adilahy politika.
Andro tokony hanamafisan’izy dimy mirahalahy ny fitiavany an’i Madagasikara ny omaly. Na inona na inona kajikajy politika, na inona tombontsoa manokana mety mibaiko any ambadimbadika any dia mila mametraka ho lohalisitra ny firenena izy ireny. Herijika izao hametrahana fahefa-miaramila matanjaka sy maharitra. Izay manko no andrasan’ny vahoaka. Mila mametraka ny fanajana ny fitsipi-pitondrantena henjana.
Iza no tsy resy lahatra fa ny gaboraraka no fositra tsy mampivoatra ity tanindrazana ity. Ny fanaovana izay danin’ny kibo no rangory fototry ny afo mampihitsoka ny politikam-pampivoarana. Ny fandrosoana dia miankina amin’ny fanajana lalàna sy fitsipika. Tsy misy afa-tsy miaramila no hahavita hihenjana. Hampihatra izany ka hametraka azy ho fomba mahazatra sy zary ho fomba fiaina.
Dimy lahy be izao! Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Miandrandra ny fijoroana, araka ny tokony ho izy, ny Malagasy 30 tapitrisa. Mazava ny fanambaran’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Mickaël, fa tsy hanala baraka ny Tafika izy. Koa andrasana, araka izany, ny asa fa tsy hijanona ho kabary intsony. Ny bainga voavadika no porofon’ny asa vita.
Mba ho tena fitiavan-tanindrazana tokoa.
r.r




