Maty nandritra ny fanolanana nataon’ny tsy mataho-tody ny zazavavy vao dimy taona monja tao amin’ny kaominina Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alahady 11 janoary teo. Voasambotry ny fokonolona teo am-panaovana ny filan-dratsiny ny lehilahy nahavanon-doza, afakomaly. Nentin’ity lehilahy ity nihazo ny toerana mangingina ilay zazavavy vao dimy taona, fantatra amin’ny anarana hoe Jenia. Norebirebeny ary notereny nanaovana ny filany. Tsy nahatohitra, araka izany, io zaza tsy manan-tsiny io. Niharan’ny fanolanana izy. Niafara tamin’ny famoizany ny aina izany. Nikoropaka ny fianakavian’ny zaza nikaroka azy. Hitan’ny fokonolona ilay nahavanon-doza tsy lavitra ny toerana nisy ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Notanana avy hatrany io lehilahy nanolana io ary natolotr’izy ireo ny mpitandro filaminana mahefa. Tetsy ankilany, efa nitsirara tamin’ny tany sy tsy nisy aina intsony i Jenia kely. Nalain’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakan’io zaza io. Misahana ny famotorana rehetra momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankoatr’io, zazavavy iray hafa koa tsy mbola mahatsiaro tena efa ho telo herinandro mahery, taorian’ny fanolanana nahazo azy, tany Tsiroanomandidy. Kamboty io zazavavy io ka ny rahalahin-draibeny no nitaiza azy.
Tsiferana R.




