Tafavoaka tsikelikely aloha ny fanavaozana tian’ny fitondrana hatao mahakasika ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Nivaly koa ny fitakiana sy fangatahan’ny mpiasa amin’ny fanesorana ilay tale jeneraly vazahabe tao. Miova andriana, miova sata, hoy ny fitenenana. Aleo amin’izay kosa mba efa Jiramam-Pirenena toy izay Jiramaty, araka ny filazan’ny mpanjifa azy.
Tsy misy zavatra maty handeha sy hamokatra rahateo. Ny hambompom-pirenena dia angovo izay ampy hoenti-manarina tsikelikely ity orinasa ity. Tafahoatra ny fahavoazana sy ny fatiantoka noho ny tantely afa-drakotra, koa rariny sy hitsiny tokoa raha mba miaramila no apetraka eo. Olon’ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipi-pitondrantena matotra.
Izay rahateo ny lesoka teto amin’ity firenena ity, kolikoly sy fitiavan-kely no mibaiko izay zavatra atao rehetra. Na lehibe tokony ho to-teny aza, zary anjakan’ilay “mametraha kely”. Tena mahatsiravina sy mampiteny ny tsy mahay miteny ny hafitsoky ny mpiasam-bahoaka. Hany ka mivaralila ilay tanindrazana iombonana. Tsy misy mandeha amin’ny laoniny.
Iza anefa no voa mafy? Indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby hasesika an-davaka ny vahoaka. Sady manefa be no mbola mizaka ny ngidin’ny haizimpito sy rano maloto. Samy mba efa miezakezaka eny daholo kosa aloha ilay mpikambana amin’ny governemanta, voakasiky ny fitakiam-bahoaka. Ny tao-trano anefa tsy efan’ny irery. Tsy vitan’ny manova olona.
Andrasana ny voan-dalana entin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika avy any Abu Dhabi, Dubaï. Mahakasika ny resaka angovo rahateo no anisan’ny votoatin’ny fitsidihana. Miandry isika satria niaraha-nahita fa nanakoako maneran-tany ny lahateny nataony omaly. Maika nampiakatra ny hafanam-pon’ny te hanampy ny fanononany izany tamin’ny fiteny malagasy.
Samy miandry ilay fahazavana izao!
r.r




