Mahazo vahana ny fanakianana mialoha ny fotoana, ankehitriny. Zary lasa toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy sasany ny fifanomezan-tsiny tsy amin’ny fotoany. Manavanana kokoa ny fisainana miiba noho ny fahavononana ny hanatsara. Mazana ny fanenjehana mamaivay no manjaka. Hadino ny mombamomba ny fifanohanana sy ny fifampitarihana mankany amin’ny tsara.
Toe-tsaina miiba mila hovana faran’izay haingana izany raha tiana ny handroso sy hisian’ny fiovana araka ny fifanomezan-toky teny am-pitolomana. Mora kivy sy tsy mahandry tantana ilay Malagasy. Tsy mahagaga raha matetika no sasatra ny miarina isika mianakavy. Ny fotoana tokony hifanaovan-tsoa, zary lany amin’ny fambolena sakana fotsiny.
Fomba fiainana tsy maintsy hatsaraina ny fialana amin’ny tsikotsiko sy ny resabe tsy mitondra mankaiza. Mila miasa sy mifototra amin’ny fitadiavana ny Malagasy. Ny fanjakana rahateo efa miezaka amin’izao fotoana izao ny manokatra varavarana amin’ny firenena vahiny maro. Raha ny kajikajy dia hisihisy ihany ny orinasam-bazaha hisokatra eto amin’ny tanàna.
Firenena mendrika ny hivoatra sy ho fitaratr’izao tontolo izao i Madagasikara. Mendrika ny ho tafita sy hanana ny maha izy azy raha mihoatra amin’ny firenena afrikanina maro. Betsaka ny harena sy herijika ahafahany mivoatra. Ny indrokely, ny mponina mihitsy mazana no tsy hiova na tsy sahy manova ny fomba amam-panaony. Aleo mifikitra amin’ny
“sitrany ahay” sy ny zara fa misy.
Tsy afaka ny hiolonolona irery ny Malagasy fa mila manaraka ny fomba fanaon’ny any ivelany. Tsy mandry andro tsy mandry alina mihary sy mitady. “metro, boulot-dodo” na hoe lany amin’ny fanenjehana ny fitaovam-pitaterana sy ny asa, ary matory ny fotoana. Tsy misy ho laniana amin’ny resabe eny seha-piarahamonina na ny sehatra ana habaka.
r.r




