Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra izao. Misy mahita ka milaza fa anisan’ny lehibe sy maika amin’ny fanovana na fanavaozana toe-tsaina ny fanajana sy fampanajana lalàna. Tsy misy ambonin’ny lalàna. Hatramin’izao, tsy mety ho kolontsaina mandeha ho azy izay. Lasa fiavahana sy fahamboniana ho an’ny sasany aza ny tsy fanarahan-dalàna, indrindra raha tsy misy arakaraka.
Manampy trotraka izany ny tsy fandehanana amin’ny fahitsiana sy ny fahatsorana. Fangaraharana izany. Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Tsy asiana ankifonofono, tsikombakomba ratsy… Miara-dalana amin’izany ny fanaovana sy ny fijoroana amin’ny marina: sahy mamaky bantsilana, ifampiarovana… Ny amin’izany, mba matoky tena ve izay manao sy milaza ny marina? Misy mpiaro, tsy mba maty… Fiovana sy fanovana izany. Ilaina, takina, ifampitantanana… Mba mihena ahay ny fanaovana kolikoly? Ny tsimatimanota, izay heverina na mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, hafa no ho ny olona rehetra… Misy tambajotra ny mpanao ratsy sy mpandika lalàna? Mila tambajotra enti-miady amin’izany koa ny marina… Amin’izay, ho hitan’ny havany eo izay za-dratsy.
Resahina ka tsotra? Fa tsy vita mora, tsy efan’ny irery, tsy vetivety… Saingy tsy maintsy atomboka raha tiana ny hiova sy hanova toe-tsaina. Miankina amin’ny tena ihany? Na ny tsirairay… Alao hery àry! Ny atao no hita; ny soa, mahatarika.
R. Nd.




