Ny tena ihany no antony

 

Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Fitakiana zo fototra no mahatonga ny fanovana fitondrana. Lehibe sy voalohany ary maika ny amin’ny famatsian-jiro sy rano. Mby aiza? Efa mba misy fihatsarany ahay ny famatsian-jiro, na tsy mbola mahafa-po aza. Tsy hita be ihany kosa ny amin’ny famatsian-drano: toa arakaraka ny mahabe ny orana ny olana amin’ny tsy fahampiana sy ny fahalotoan’ny rano. Mandra-pahoviana? Fa tsy jiro sy rano ihany ny fitakiana, fa niitatra an-dalana saika isan-tsehatra: fahalalahana maneho hevitra, fandriampahalemana, fitsinjaram-pahefana… Tonga hatramin’ny fampianarana, fahasalamana, famoronana asa…
Taotrano tsy efan’ny irery, tsy vita indray andro. Vao mainka fa ny firenena? Eo indrindra izao… Misy alaim-panahy na manao fanahy iniana fa andrasana ny fikaonandoham-pirenena avokoa ny zava-drehetra vao hiova na hovaina. Tsy misy ve ny azo atomboka sy mety ho vita avy hatrany? Eo, ohatra, ny toe-tsaina: manaiky fanovana, fanitsiana, fifanampiana amin’izay atao… Ny tena na tsirairay miova no hahazoana manova ny firenena. Fiaraha-mihetsika sy mandroso izany. Mba tsy misy hadino na handeha ila. Nefa misy ihany ny mpanohariana, mpamendrofendro, mpanakivy… Raha misy te hihetsika, tebahina ambony ihany ho tsy ampahafiriny na te hoderaina. Manomboka amin’izay ny fiovana sy fanovana? Na fanavaozana… Tsy hijerena ny hafa.
Misy ny tsy te hiova na hanova? Sarotra ny miala amin’ny mahazatra, tsy mora ny manao zavatra. Aleo ho hitan’ny havany eo? Izay mijanona na tsy mandroso, mihemotra. Izay raha mihetsika sy mandroso avokoa ny hafa rehefa. Fotoana fanapahan-kevitra izao, ampisehoana fahasahiana sy firaisankina, fitozoana sy faharetana… Ny tena ihany no antony. Indrindra hioty ny vokatra…

R. Nd.

Partager sur: