Samy manana ny fandraisany sy ny fandrefesany ny fahombiazan’ilay fitondrana ny isam-batan’olona. Misy ny mandokadoka mafy sy resy lahatra fa tena manao ilay fanjaka-miaramila. Sanatrian’ny vava, avadiky ny sasany ho fisolelahana diso tafahoatra aza. Tena toraka voninkazo tsy misy tahaka izany. Miedinedina mihitsy ho mahavita zavatra.
Etsy ankilan’izay, tsy voasakana ny fanatsikafonana sy fanakianana amin’ny tsy mety na ny tsy fahampian’ny mangaraharaha. Manamafy ity sokajy iray ity fa fanohizana fotsiny ny nataon’ny teo aloha no hataon’ny fitondrana. Misy aza ny fanenjehana mavaivay, amin’ny fisandohana ny tetikasan’ny lazaina fa “forongony”. Fitohizan’ny raharaham-panjakana!
Tsy manakana ny mpitondra tsy hiasa anefa izany. Mainka manome vahana ny fahafahana hanao ny asa araka ny tokony ho izy ny fisian’ny tsikera. Ireny no mampahatsiahy fa misy fifanekena nifanaovana tamin’ny vahoaka, tsy maintsy hajaina sy vitaina, ao. Tsy vitan’ny fanomezan-toky sy ny resaka ambony latabatra fa miandry ny asa sy porofo mivaingana.
Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, hita taratra ny fahavononana hanao zavatra ho an’i Madagasikara. Tsy hidirana lalina ny resaka ambadika fa ny zava-dehibe, efa mibaribary ny ezaka diplaomatika. Tsy takona afenina ny finiavana sy vokatra. Mifanolo-tanana, tsy misy mihevitra ho fitondrana sadasada ny vahiny sy ny mpiara-miombon’ antoka samihafa.
Maro ny fifanoloran-tanàna. Betsaka ny fahavononana hifanampy sy hiara-miasa. Tsy tambo isaina ny fifanarahana efa manangasanga. Tanjona iray ihany no mibaiko ny zava-drehetra: Vahoaka malagasy miaina anaty fanovana sy fihavaozana tena izy, mifandraika amin’ny filan’ny mponina sy ny takin’ilay tanindrazana malala sy iarahana, imatimatesana. Mety ho lasa lavitra!
r.r




