Niteraka resabe teny amin’ny fiarahamonina ny fanafoanana sahady ny fanendrena ny tale misahana ny fandraisana fitarainana, kolonely Patrick no ahaizan’ny maro azy. Toraka izany koa ny fanesorana talem-paritra maromaro ao anatina faritra iray. Manontany tena ny mpanara-baovao raha lesoka tamin’ny fandraisana azy ireo no nahatonga izany na vokatry ny tombana natao?
Na inona na inona antony, zava-dehibe ny fahasahiana mandray fanapahan-kevitra manaisotra izay heverina fa tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka malagasy. Zava-dehibe mihoatra lavitra kosa anefa ny fahamalinana mialoha ny fametrahana olona iray. Tsy sanatria fandaniam-potoan’
ny teo aloha ny manao fanadihadiana lalina mandritra ny volana vitsivitsy.
Misy ny nalahelo, misy ny tezitra, misy ny faly tamin’ny zava-nitranga, saingy lesoka hafa mbola ilana mangaraharaha ny anton’ny fiverenan-dalana tampoka. Tsy filam-boatsiary fa mba hisorohana amin’ny hoavy. Tsy avy amin’ny mpanendry ihany akory, indrindra ireo mandefa antontan-taratasy, mba te hahazo seza. Samy malina ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy kilalaon-jaza ny fitantanana ny raharaham-panjakana, indrindra anatin’ny fikatsahana lalandava ny fanavaozana sy fihavaozana isika. Vahoaka efa miova, miandrandra vokatra rahateo no entina. Mendrika azy ireo ny asa tsara sy asa matotra, mipaka avy hatrany amin’ny isam-batan’olona. Izay no maha saro-pady ity ankanendritendry ity, ankehitriny.
Mbola betsaka ny traikefa tsy maintsy tovozin’ny mpitondra amin’ny lafiny maro. Vao roa volana rahateo izay no dila. Mbola misy 22 volana be izao raha fohy indrindra ny fotoana voalaza fa hanaovana Tetezamita. Ny zava-dehibe aloha, efa hita fa mandeha ny asa, miroso tsikelikely ny fanatsarana amin’ny lafiny rehetra. Na eto an-toerana na any am-pita.
r.r




