Entan-jaraina

 

Raha ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, iaraha-mahita fa mandeha ny asa rehetra eny ifotony amin’izao fotoana izao. Mandeha ny fitokanana isan-karazany ary efa hita taratra ny fifampizarana andraikitra amin’ny ekipa rehetra. Samy efa mandray faritra samihafa ny mpanolotsaina ambony, arakaraka ny andraikitra sahaniny. Izay ilay entan-jaraina mora zaka tokoa.
Marihina anefa fa tsy mbola mijanona hatreo akory ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Raha ny feo mandeha, tsy hijanona amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila fotsiny ny fitondrana ny firenena. Efa mahoraka ny filazana fa hisy fiaraha-mitantana amin’ny ankolafin-kery hafa aoriana kely. Anisan’ny hahazo toerana amin’izany ny mpanohana ny filoha teo aloha.
Tsy hisy ny fifanavakavahana, raha ny feo mandeha. Toa samy hahazo ny manandrify azy ny mpanao politika. Mbola miandry ilay tondrozotra tsy maintsy hitondrana azy anefa izany. Na ireo nanafana fo tamin’ny fitolomana aza anefa efa nanamafy omaly, fa azo atao tsara ny mampiditra ny olon’ny TGV tsy mahery fihetsika sy manana fijery malefaka sy diplaomaty.
Marihina fa anisan’ny fepetra iray, ahafahan’i Madagasikara miroso na tsia amin’ny fiaraha-miasa mahazatra ny fisokafana sy fiaraha-mitantana. Raha ny fandehan-draharaha rehetra anefa dia tena tsy ho afaka ny fianakaviambe iraisam-pirenena mahazatra ny Malagasy. Mbola ny fiarahana amin’ny frantsay no antoka hamikiran’ny mpitondra amin’ny sezany fa tsy mbola ny rosianina na ny sinoa.
Mazava ny safidin’ny henjana. Porofon’izany ny tsy maintsy hisian’ny iraka manokana hatao any Frantsa ato ho ato. Efa nisava lalana niaraka tamin’ny lehiben’ny diplaomasia malagasy ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay. Midika izany aloha fa zaza tsy mbola misara-nono ilay Madagasikara.

r.r

Partager sur: