67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy

Nisehoana fifandonana ma­hery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy nisian’ny fifandonana. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily, nanatanteraka asa fisafoana teny amin’ny faritra 67 Ha, ireo andian-dehilahy miisa dimy. Hahafaha sy nampia­hiahy ny fihetsik’izy ireo. Saika ho hendahin’ireo lehilahy maro ireo ny polisy. Nando­sitra sy nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy vantany vao nahatsikaritra fa mpitandro filaminana ireo. Raikitra, noho izany, ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nasaina nijanona izy ireo saingy nirifatra nandositra hatrany. Voa­tery nitifitra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Vokany, voan’ny balan’ny polisy, nandritra izany, ny jiolahy miisa telo, raha toa ka tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano kosa ny roa ambiny. Namoy ny ainy, vokatry ny ratra mafy nahazo azy izy telo ireo.

Tavela teny amin’ireo jio­lahy lavo ny basy poleta nampiasainy. Mbola mifahana tsara ary nisy bala telo tao anatiny. Nahitana antsy maranitra iray hafa ihany koa. Efa malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny faritra 67 Ha ireo olon-dratsy ireo. Tafiditra anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy izao he­tsika izao. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka sy famongorana ireo mpanao ratsy mbola miriharia any ho any.

Mino

Partager sur: