Ankazomanga : Lehilahy iray maty nananton-tena

Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany amin’ny arabe aho hatramin’ny 10 ora alina », hoy ny reniny. « Nive­rina nody aho ary naheno resak’olona teo amin’ny manodi­dina fa mitsirara ao ambany tohatr’olona ny zanako », hoy hatrany izy. Efa nianjera tamin’ny tany, tao ambany tohatr’ olona ity lehilahy ity no hitan’ny mponina teny amin’ny manodidina. Nisy tady nifatotra ny tendany ary mbola nihantona teny amin’ny lavarangan’olona ny tapak’izany, nandritra ny fahitana ny razana. Nampandresina avy hatrany ny polisim-pirenena sy ny sefo fokontany taorian’izay. Tonga teny an-toerana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo avy amin’ny BMH, nanao ny fizahana ny razana sy ny nanao ny fanadihadiana. Marihina fa efa nisaraka tamin’ny vadiny nandritra ny volana maromaro ary niteraka telo io lehilahy io. Tsy nisy olana mihitsy teo aminy sy ny reniny talohan’io tranga io. Efa nanandrana namono tena tamin’ny alalan’ny fisotroana poi­zina ihany izy io taloha, saingy avotra soamantsara ihany, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: