Fanaingana ara-toekarena: Mandeha ny dinika any amin’ny faritra

Mitohy any amin’ny faritra ny dinika ho fanaingana ny toekarena, taorian’ny fanombohana teny amin’ny CCI Ivato, ny alatsinainy 19 janoary teo. Dinika iarahan’ny fanja­kana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.
Tanjona ny hamaritana ireo rojom-pihariana stratejika, ny hamantarana sy hamakafakana ny sakana ara-pamokarana. Aravona ny angon-kevitry ny tsirairay, ary volavolaina ny drafi-panarenana isaky ny faritra. Ho lasa vahaolana azo tanterahina, ka hanavaozana Fandraharahana ara-pamokarana (agri-business), mba ho tena loharanon’asa sy hite­raka harena.
Efa vita ny 21, 22 ary ny 23 janoary, ny tany Antsirabe, ny ho an’ny distrika Anala­manga, Itasy, Bongolava, Vaki­nan­karatra. Tany Fianaran­tsoa ho an’ny Matsiatra Am­bony, Amo­ron’i Mania, Vato­vavy Fi­tovinany, Atsimo Atsi­nana­na, Ihorombe. Tany To­liara ho an’Atsimo Andrefana, Mena­be, Anosy, Androy. Tany Am­batondrazaka ho an’Alao­tra Mangoro, Atsinanana, Ana­lan­jirofo. Any Mahajanga ho an’i Boeny, Betsiboka, Sofia, Melaky.
Manomboka anio 26, 27, 28 janoary, hatao any Antsi­ranana, ho an’i Sava sy Diana.
Hangonina sy haravona ny dinika isam-paritra rehetra, ary hatao eto Antananarivo ny hamoahana ny drafitra Fa­nain­gana ara-toekarena nasi­onaly.

Njaka A.

Partager sur: