Fitantanana eny ifotony : Misy fepetra ny fifidianana lehiben’ny fokontany

Miandry aloha. Namba­ran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­kotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na izany aza anefa, tsy azo ihodivirana ny fanendrena ireo sefo fokontany amin’ny toerana maromaro, ahitana fahabangan-toerana amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany ha­trany.
Mbola andrasana koa ane­fa ny ho fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena, ha­ma­ritra ireo fifidianana samihafa tokony hotanterahina eto amin’ny firenena. Efa natsi­diky ny ankamaroan’ireo mpanao po­litika fa tokony hatomboka avy eny ifotony ny fifidianana hatao ka anisan’izany ny eny amin’ny fokontany.
Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena
Miakatra eo anivon’ny ka­ominina avy eo ny fifidianana, mialoha ny fifidianana so­lombavambahoaka eny amin’ ny distrika ary mamarana izany ny fifidianana filoham-pirenena. Miankina amin’ny fikaonandoha aloha izany ha­treto ny hoavin’ireo ho lehi­ben’ny fokontany.
Tsiahivina fa efa nilaza ny fahavononany ny hanatante­raka ny fifidianana lehiben’ny fo­kontany ny teto an-dReni­vo­hitra ny volana novambra teo, tamin’ny alalan’ny « Pre­fet » teo aloha. Tsy tanteraka anefa izany noho ny resaka po­litika sy ny fihaonana teo amin’ireo solombavambahoaka sy ny prefektiora tamin’izany.

Synèse R.

Partager sur: