Mijery sy manaraka akaiky ny toe-daharaham-pirenena ny antoko liberaly demokraty (PLD), tarihin-dRabeharisoa Saraha. Nambarany fa manohana ny fitondrana Fanavaozana ny antoko tarihiny ary mpikambana eo anivon’ny Vovonana miaro ny fanovana miatrika ny Repoblika (VMFR) sy ny Vondrona Ampandrana. « Mampirisika ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny mpanao politika ho amin’ny fikaroham-bahaolana izahay, ho an’ny tombontsoa iombonana sy ho an’ny taranaka ary ny firenena. Adidy sy andraikitra izany », hoy izy, tetsy Mahamasina, omaly. Notsindriny fa mitondra hevitra ho amin’ny filaminana sy ny fitoniana ary koa ny fifampiresahana anaty fifanajana sy ny soatoavina malagasy izy ireo, manoloana ny raharaham-pirenena. Anjara biriky izany, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nilaza ny hangataka fihaonana amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izy ireo, taorin’ny lahateny milaza fa tsy ilaina intsony ny dinika politika. Tsy hanolo-bato mafana ny mpitondra izy ireo fa mitana hatrany kosa ny fotokevitra amin’ny tokony hifampiresahana. Ilaina hatrany izany na hatao amin’ny fomba hafa aza ho amin’ny fanorenana ny firenena, araka ny nambarany hatrany.
Ankoatra izany, notsiahiviny fa mipetraka ho tantara ny 14 oktobra 1958, amin’ny nijoroan’ny Repoblika. « Tokony hamafisina ny miabo sy ny tsara ary ajanona kosa ny ratsy », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa niompana tamin’ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy aty Afrika ny vaindohan-draharahan’ny filoham-boninahitry ny PLD, taorian’ny taona 2018.
Synèse R.





