Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana.
Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sabotsy atoandro lasa teo tamin’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany amin’ny faritra Itasy, 35 km atsimon’ny distrikan’i Soavinandriana no nisy ny foibeny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Institut et observatoire de géophysique d’Antananarivo (IOGA). Nahery vaika izy io satria nahatratra 5,6 amin’ny maridrfey Richter ny tanjany (magnitude). Mbola naheno ny fihovitry ny tany, naterak’izany, ny mponina hatraty an-dRenivohitra sy ny manodidina. Vokatr’io fihovitry ny tany nahery vaika io, zazavavikely vao dimy taona monja, naratra nianjeran’ny trano. Tapaka ny tanany ary voadona ny lohany. Taorian’ ny tranga, tsy maintsy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana haingana io ankizy lasibatra io. Ankaotra izay, trano miisa roa no nirodana tany Avaratsena, Soavinandriana, raha ny tatitra voaray avy amin’ ny tobim-paritry ny zandarimaria any Soavinandriana. Trano efa miorina ary misy mipetraka no nirodana ny tataon-drihana manarona ny tafo, ny iray tamin’ireo. Trano andalam-panamboarana kosa ny faharoa izay nirodana ny rafitra biriky sy ny “coffrage” mitondra ny “linteau”.
Maro ny fitandremana atao
Niteraka tahotra sy horohoro teo amin’ny ankamaroan’ny mponina ny fitrangan’ iny horohorontany iny. Manoloana ny tranga tahaka izao, anisan’ny fitandremana tokony hataon’ny tsirairay ny misitrika ambany latabatra mafy, miala lavitra ny varavarankely, vodirindrina na ireo zavatra mety hianjera. Mamonjy toerana malalaka lavitry ny trano, na andrin-jiro na hazo. Anisan’ny antony mety mahatonga ny horohoron-tany ny fipoahan’ny volkano any ambanin’ny tany. Eo koa ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, fanorenana fotodrafitrasa any anaty tany sy ny maro hafa. Eo koa ny fikorontanan’ny vatolampy any anaty tany. Marihina fa nahenoana horohorontany ihany koa teto Antananarivo ny alakamisy 22 janoary 2025 lasa teo. Nirefy 3,0 tamin’ny maridrefy Richter ny tanjany. Teto Antananarivo, faritra Analamanga, ny foibeny.
Vonjy /Mino




