Seranan-tsambo : Vita ny 60% ny asa ao Toamasina

Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël nandritra ny dia nataony tany an-toerana, ny sabotsy teo. Man­droso ny asa sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Anke­hi­triny, manodidina ny 60% ny asa no efa vita. Nilaza ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa “manohana tanteraka ny orinasa SPAT amin’ny fanatanterahana ity tetikasa lehibe ity ny tenany”. Notsindriany mano­kana fa manentana ny orinasa izy mba hanohizany amim-pahavitrihana ny fanatanterahana ny tetikasa. Ity farany izay heverina ho fotodrafitrasa stratejika ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena. Mitana ny 80% amin’ny fifamoivoizana an-dranoma­sina iraisam-pirenena eto Mada­gasikara rahateo ny seranan-tsambon’i Toamasina ka antony indrindra hanavaozana sy hanitarana azy ary hanamafisana ny toeran’i Toamasina ho ivon-toeran’ny fitaterana an-dranomasina eto amin’ny faritra. Nojerena nandritra izay koa ny toerana misy ireo “scanners” vaovao hitiliana ireo kaontenera vaovao. Ankoatra izay, efa mandeha ihany koa ny fanamboaran-dalana ny RN2 TER, mirefy 2km, lalana miditra sy mivoaka ao amin’ny seranan-tsambo izay vatsian’ny Tahirim-bola momba ny lalana. Ho vitaina amin’ity taona ity ihany koa ny “voie rapide”, mirefy 9,450 km mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena faharoa. Tetikasa hiara-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny Sinoa atao.

Henintsoa

Partager sur: