Hahazo “carte hydrogéologie” hamantarana ireo loharano ambanin’ny tany azo trandrahina i Madagasikara afaka telo volana. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Kula Services avy any Singapour izy ity.
Vita sonia, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH) sy ny orinasa Kula Services PTE. Ltd mahakasika ny fandalinana sy fanombanana ny loharano ahazoana rano ambanin’ny tany. Tanjona ny hahalalana bebe kokoa sy ara-tsiantifika ny rano ambanin’ny tany sy hamantarana ireo toerana azo hanaovana lavadrano. Hanohana ny fanapahan-kevitra sy handrindra ireo tetikasa momba izao fiaraha-miasa izao sy hiantoka ny fitantanana maharitra ny loharanon-drano manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa. Araka izany, hahazo sarin-tany misy ireo loharano (aquifère) azo trandrahina isika, amin’ny alalan’ny teknolojia. Azon’ny rehetra ampiasaina ihany koa ny angon-kevitra momba izany raha toa ka omena ny fanjakana kosa ny tatitra mba hahafahany mamolavola ireo tetikasa goavana hanatsarana ny fisitrahan’ny Malagasy rano fisotro madio.
Fanapahan-kevitra
Hahafahana mamantatra mazava ireo toerana mety hanaovana “forage” ny sarin-tany. Havaozina isan-taona ny sarin-tany misy ireo rano (hydrogéologie). Toy izay ihany koa ireo angon-kevitra mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mandrafitra tetikasa ho an’ny rano. “Dingana lehibe ho an’ny fiandrianam-pirenena ara-drano ity fiaraha-miasa ity satria manampy antsika hanana fitaovana matanjaka hiantohana ny fananan’ny vahoaka rano fisotro madio maharitra”, hoy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia.
Ankoatra izay, manana traikefa iraisam-pirenena ary efa niasa tamina tetikasa maro taty amin’ny firenena afrikanina maro ny orinasa Kula Services. Manam-pahaizana manokana amin’ny fampiasam-bola sy teknolojia ho fampandrosoana ny toekarena sy ny fitantanana ny harena voajanahary ihany koa.
Henintsoa




