Habantseranana : Ladoany miaro ny fiarahamonina, mailo sady mahitsy

Nankalazaina omaly 26 janoary, teny amin’ny CCI Ivato, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ladoany (JID). Lohahevitra noraisina ny hoe, «Habantseranana miaro ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fahamailoana sy ny fahitsiana». Nampahatsiahivin’ny tale jeneraly ny Ladoany (DGD), Randrianjafy Antoine, ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny fifanakalozana ara-barotra, ny olom-pirenena ary ny fanohanana ny fampandrosoana ny toekaren’ny firenena.
Nasian’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika (PR RM), kolonely Randrianirina Michaël, teny ny mahakasika ny fisavana ny entany nandritra ny diany nankany Dubaï farany teo. « Izaho mihitsy no nampiantso ny habantseranana tamin’iny. Na iza na iza filoham-panjakana dia miondrika eo anatrehan’ny lalàna. Mifa­nandrify amin’ny vina apetraky ny fitondram-panjakana ny teny faneva, firenena mahay miaro ny vahoaka sy ny harena ao aminy. Tsy fanovan-dra­fitra fo­­tsiny ny andraikitry ny Fa­din­tseranana fa fanovam-penitra, ny ady amin’ny kolikoly, mila mpiasa mahay, manana hazondamosina”, hoy izy.

Mifanome tanana

Nanamafy ireo ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr. Ramiarison Herinjatovo. « Mitana andraikitra lehibe ianareo mpiasan’ny Ladoany miaraka amin’ny minisitera ary mifanome tanana isika », hoy izy.
Miisa 20 ny mpiasan’ny habantseranana nomena mari-pankasitrahana, omaly.

Njaka A.

Partager sur: