INDRAY MIJERY

Mahazo vahana ny talio mitondra rotsakorana betsaka ho an’ny tapany avaratry ny Nosy. Misy faritra andro ratsy koa arahi-maso ao amin’ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy. Ambany ny taha hivadihany ho rivodoza, saingy hitondra rotsakorana betsaka ho an’iny tapany avaratra andrefana iny izany. Nahazo fampitandremana miloko mavo noho ny habetsahan’ny rotsakorana, ho an’ny rahampitso, i Nosy Be, Analalava ary Ambanja.

Lafo vidy ny voamaina amin’izao fotoana, eny amin’ny tsenam-pokontany. Mahatratra 5 000 Ar ny kapoakan’ny lentille efa voafantina, 2000 Ar ny tsaramaso sy ny tsiasisa ary ny voanjobory, 1500 Ar kosa ny kabaro. “Mbola fantenana ny voamaina hamidy ka izay no mahatonga ny vidiny lafo kokoa”, hoy ny mpivarotra. Misy olona karamaina manokana mifantina sy manala ny fakofako rehetra.

Betsaka ny lalana mitera-doza ho an’ny rehetra, indrindra ny ankizy madinika mandeha mianatra. Malama sy dibo-drano, anatin’izao fotoam-pahavaratra maha betsaka ny rotsakorana izao, izy ireny. Manen­tana ny ray aman-dreny na ireo mpikarakara zaza ho mailo ny tomponandraikitra ka tsy hamela irery ny ankizy raha tsy efa tafiditra ao amin’ny faritry ny sekoly hisorohana ny loza samihafa.

Partager sur: