Faritra Betsiboka : Miantso ny fanjakana ny fikambanana Zabemi

Tonga mavitrika teto Antananarivo ireo mpitolona avy any Betsiboka anisan’ny nanatevin-daharana ny hetsika tamin’ny taon-dasa, notarihin’ny jeneraly, Randrianjara Flobert, filohan’ny fikambanana Zanak’i Betsiboka Miray (Zabemi).
Tamin’izany no anaovany antso avo miangavy ny fitondram-panjakana hidina mivantana any amin’ny faritra Betsiboka hahafahana mandray ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny fampandrosoana any an-toerana.
Manan-karena ny faritra na harena an-kibon’ny tany na ambonin’ny tany indrindra ny olona. Ny harena an-kibon’ny tany anefa dia tena mampitaraina satria ny vahiny no manjakazaka. Lasa fahoriana ho an’ny tantsaha ny fisian’ireo vahiny mpitrandraka izay tsy ara-dalàna. Tsy misy fandrosoana mihitsy ao amin’ny faritra kanefa ny harena dia trandrahin’ireo vahiny ireo ary mivoaka mihoapampana fa tsy misy tombony ho an’ny faritra izany.
Manana olona manam-pahaizana sy ampy traikefa i Betsiboka afaka handray andraikitra hampandroso tanteraka ny faritra hitovizany amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Misaotra ny fanjakana ihany koa ny Zabemi fa tsikaritra ny filaminana noho ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana.

Tatiana A

Partager sur: