« Jalsa Salana 2026 » : Niaraka niombom-bavaka ny Miozolomanina Ahmadiyya

Fanehoana fiombonana sy firahalahiana ny hetsika fanao isan-taona ao anatin’ny fihaonambe « Jasla Salana » fanaon’ny miozoloanina. Tanjona ny fandalinam-pinoana silamo Ahmadiyya.

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-20 na «Jalsa Salana» 2026.
Naharitra telo andro izany fihaonambe izany. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra narahina fampianarana sy fanamafisana ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Araka ny fanazavan’ny misionera eo anivon’ny Miozolomanina Ahmadiyya eto Madagasikara, Ahmad Mujeeb, ny rafitry ny Jalsa Salana dia niorina avy tamin’ny fampanantenain’ilay Mesia, araka ny fahefan’i Allah (Andriananahary). Ny Jalsa Salana voalohany, natomboka ny desambra 1889 tany Qa­dian Inde. Taorian’izay ny mpikambana miozolomanina Ahmadiyya dia samy manao fihaonambe amin’ny firenena misy azy ireo avy. «Ny tanjona fototry ny Jalsa dia ny hampianatra ireo mpikambana ao aminay ny fampianarana marina momba ny finoana silamo Ahmadiyya, na avy amin’ny firenena inona na avy amin’ny firenena inona izy ireo dia afaka miaraka aminay», hoy kosa ny misionera misahana ny ao Toliara, i Mohammed Musa. Eo koa ny hirosoana lalindalina amin’ny fahalalana masina ka hahafahan’izy ireo miroso tsikelikely handray anjara eo amin’ny lalan’An­driananahary. Ny fihaonambe toy izao koa, entina manamafy ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Ny teny filamatry ny Jama’at Ahma­diyya dia «Fitiavana ho an’ny rehetra, tsy misy fankahalana na iza na iza». Marihina fa ny fampianarana miozolimanina dia mampianatra ny rehetra hanaja ny zon’ny tsirairay sy ny mpiray tanindrazana. Eo koa ny fijerena manokana ireo kamboty sy ny mahantra.

Jean Claude

Partager sur: