Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy afa-miala amin’ny fanavaozana ny Tafika”

“Tafika milamina, firenena milamina; Tafika mandroso, fi­renena mandroso”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanomboka ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tafika teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Miompana amin’ny tari-dalana stratejika telo ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanovana. Eo ny famaliana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana maika sy ny fandaminana ny tany sy ny fanjakana. Mana­raka, ny fanovan-drafitra ho amin’ny fanavaozana ma­haritra. Farany, ny fikarakarana fifidianana azo itokisana sy mangarahara ary andraisan’ ny rehetra anjara. Mila fandriampahalemana avokoa izany. Manana anjara andraikitra goavana sy tsy afa-miala amin’ny fanatanterahana ny Tafika Malagasy sy ny Fo­loalindahy amin’ny ankapobeny. Efa eo am-panatanterahana an’ireo taridalana navadika ho drafitra fampiharana ny governemanta amin’izao.
Amondronana ireo teboka andry rehetra voaray manerana ny Nosy ny fikaonandoha. Dinika hitondra fanapahan-kevitra mivaingana sy mazava ary azo ampiharina avy hatrany. Ny tena marina no resahina, ary ny tena maharary no potsirina. Tsy hipasoka ny efa malama, ka ny rafitra sy ny fomba efa misy 66 taona lasa ihany no mbola hipetraka sy hatao. Efa misy ny fanitsian-drafitra teo anivon’ny Tafika. Koa ireo miaina izany no mahatsapa izay mendrika hotazonina ary ny tsy maintsy hovaina. Miandrandra fanovana goavana avy amin’ny Tafika ny vahoaka. Hararaotana ny dinika, enti-manatsara ko­koa… Mba hisian’ny fifampitokisana bebe kokoa amin’ny vahoaka. Tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny firenena ny Tafika. Nanaporofo izany ny zava-niseho teto amin’ny tany sy ny fanjakana tamin’ny 2025.

R. Nd.

Partager sur: