Lehilahy iray, 65 taona, maty nilatsaham-potaka teny an-tampon-tanety, tany Amparihibe, kaominina Ambatomanoina, distrika Anjozorobe, afakomaly, tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpandalo no nahita olona nitsirara teo amin’ny arabe ka nampandre ny sefo fokontany sy ny mponina tany an-toerana. Vory lanona ny fokonolona, tonga teny an-toerana ihany koa ny havan’ny niharam-boina. Olona efa nianjera tamin’ny tany, nisanasana vava ary tsy nisy aina intsony no novantanin’ny rehetra. Ankoatra izay, may tanteraka ny akanjo teny an-kodiny.
Nampandre ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ ny tobim-paritra Ambatomanoina momba ny tranga ny sefo fokontany Amparihibe, taorian’izay. Tsy niandry ela fa tonga tany ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo. Efa tsy teny an-toerana nitrangan’ny loza intsony ny razana tamin’io fotoana io fa efa nentin’ny fianakaviany nody.
Raha ny fanazavana voaray, avy namangy fianakaviana tany Andranomalama, kaominina Ambohibary Vohilena io raim-pianakaviana io. Handeha hamonjy fodiana izy no tra-doza tampoka teny an-dalana. Nisy orana manify teny an-tanàna tamin’io fotoana io, ary nipoaka mafy ny varatra ka nahavoa io lehilahy io, raha ny fanazavana.
Ankoatra izay, lehilahy iray 49 taona hafa koa namoy ny ainy nilatsaham-potaka tany Morondava. Nipoaka tampoka ny varatra tamin’ny fotoana hidiran’izy ireo ny tranon’olona hovangiana, tokony ho tamin’ ny 2 ora sy sasany. Maty teo no ho eo ilay rangahy raha naratra vokatry ny fianjerany ny ramatoa vadiny.
Mino




