Tonga indray ny iraky ny Sadc : Raikitra ny fakan-kevitra ho amin’ny Tetezamita

Nigadona eto Antananarivo, omaly, ireo delegasionina avy amin’ny Sadc, tarihin’ny filoham-pirenena teo aloha an’i Malawi, ny Dr Joyce Banda. Hanelanelana ho amin’ny famahana olana amin’ny toe-draharaham-pirenena izy ireo.

Manohana izany ny eo anivon’ny Vondrona mpanoro hevitra ho an’ny fanelanelanana (Groupe de référence pour la méditation). Hanatanteraka iraka ireto antsoina hoe « Panel des Sages » ireto ka anisan’izany ny fakan-kevitra amin’ny sehatra samihafa, ho any amin’ny Tetezamita sy ny fametrahana ny sori-dalana. Efa nialohavan’ny fanambarana farany nataon’izy ireo izao fahatongavan’ireto iraka ireto izao. Anisan’izany ny fihaonana amin’ny mpisehatra politika sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ireo eo anivon’ny Andrim­panjakana. Fomba fiasa efa mahazatra ity rafitra ara-toekarena misy antsika ity izany amin’ny fanelanelanana amin’ny fikaroham-bahaolana eto amin’ny firenena. Tsy azo ihodivirana ny ho fihaonan’izy ireo amin’ny filoham-panjakana sy ny minisi-panjakana misahana ny fanavaozana. Ny eo anivon’ny FFKM ary koa ireo mpitarika politika. Anisan’ izany ny Tim, ny HVM, ny TGV/Irmar ary koa ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena, toy ny CCOC.

Hanamafy ny fametrahana ny Tondrozotra
Tsiahivina fa efa tonga teto nialoha izao ny tomponandraikitra misahana ny ra­haraha politika sy ny fiarovana ary ny filaminana eo anivon’ny Sadc, ny Pr Kula Ishmael Thele­tsane. Nambarany, tamin’izany, fa hiompana amin’ny fihainoana sy fakan-kevitra amin’ ny herivelona eto amin’ny firenena, ankoatra ireo mpifanandrina politika, ny anton-dian’izy ireo. «Hohe­noinay avo­koa izy rehetra ireo mba hahitana vahaolana», hoy izy. Vao avy nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël koa, ny herinandro teo, ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Ma­gosi. Nivoitra, tamin’izany, fa hapetraka amin’ny faran’ny volana febroary izao ny tatitra nangatahin’izy ireo. Ka tafiditra ho anisan’izany ny soridalana ho amin’ny Tetezamita. Tonga hanamafy izany rehetra izany ireto iraka manaraka ireto.

Synèse R.

Partager sur: