Iriana ny hahavitan’ny fihaonambem-pirenena sy ny fifidianana Lalàmpanorenana ary ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, nandritra ny fandraisany ireo iraky ny Sadc, omaly, teny Iavoloha. Nanteriny fa filoham-panjakana, araka ny fanapahan’ny HCC, ny tenany.
Efa am-perinasa amin’ny fakan-kevitra ireo iraky ny Sadc. Anisan’ny efa nihaonan’izy ireo, omaly, teny Faravohitra, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa ilaina ny famaritana ny lalana izoran’ny firenena, indrindra ny tetiandrom-pifidianana. Nohitsiny koa fa tsy mazava na Tetezamita na fitondrana vonjimaika ny eto amin’izao fotoana izao.
Tsy fifanarahana politika na fizarazarana seza no atao, araka ny nambaran’ny minisi-panjakana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, taorian’ny nihaonany tamin’ny iraky ny Sadc. « Hiroso amin’ny fanorenana
ny firenena manontolo isika ary tsy tokony hiverenana intsony ny tondrozotra 2011 », hoy izy. Nanteriny fa ho taonan’ny fifidianana ny 2027.
Isehoana kolikoly madinika ny soram-piankohonana, araka ny tatitry ny Bianco tamin’ny fidinana tany Fianarantsoa sy Tsiroanimandidy. Anisan’ny nampitaraina ny mponina izany na kolikoly madinika aza.
« Mampahantra ny efa sahirana. Maro ireo fitarainana voaray momba izany tamin’ireo toerana ireo », hoy ny eo anivon’ny Bianco.




