Natomboka omaly ny tetikasa famantarana biometrika ny olom-pirenena, feno 18 taona. Nisantatra izany tao amin’ ny kaominina Tanjombato, nialohavan’ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny isa 666 izany hoy ny filoham-panjakana.
“Fantatray fa misy ahiahy sy resabe miparitaka, indrindra momba ny laharana sy famantarana tokana. Ny sasany aza sahy milaza fa misy ifandraisany amin’ny mariky ny bibidia any amin’ny Baiboly, hono, izy ity. Ny 666 izany. Tsy misy ifandraisany amin’izany velively ny tetikasa”. Io ny nambaran’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanombohana ofisialy ny fanomezana laharana biometrika ny olom-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Izy rahateo no nanombohana izany; avy eo, ireo mpanolotsaina avo, ny mpikamban’ny governemanta… Tsy miafina amin’ny vahoaka malagasy, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainany manokana ny fivavahana kristianina. Olon’ny finoana ny tenany sady miaramila, ka ny fiarovana ny vahoaka sy ny fitarihana azy any amin’ny mazava no antony nandraisany adidy, fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’ izany.
Tsy marika ara-pivavahana na famantarana miafina sy fitaovana hanandevozana olona, araka ny lazain’ny sasany, ny laharana famantarana manokana. Fa laharan’ ny olom-pirenena ara-panjakana sy laharan’ny karapanondro na kopia nahaterahana na pasipaoro. Natao hiarovana ny olom-pirenena izy io fa tsy entina hanimba na hanaraha-maso azy, sanatria. Nohamafisiny fa ny fitondram-panjakana dia tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny amin’ny tsiambaratelon’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ ny lalàna mirafitra mazava ary fanarahana hentitra amin’ny alalan’ny fampiasana haitao mifanaraka amin’ny vanimpotoana iainana ankehitriny. Tanjona ny mba tsy hisy very anjavona ny Malagasy rehetra, fa mba ho olom-pirenena vanona sy afa-misitraka ara-dalàna ireo zo fototra avokoa ary mba ho tomponandraikitra sy tompon’antoka amin’ny firosoana amin’ny hoavy mamiratra izay mendrika ny firenena.
R. Nd.




