Mahazo vahana ny olona maty hilatsaham-potaka tao anatin’ny hateloana. Lasibatra indray ny tovolahy miisa telo, tao Analavory. Vokany, maty ny roa. Maratra sy may ny naman’izy ireo iray.
Nirefotra mafy ny varatra tany atsimon’ny tanànan’i Anosivola, fokontany Aminaviavy, kaominina ambanivohitra Analavory, ny 25 janoary 2026 tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro lasa teo. Voa tamin’izany ny tovolahy miisa telo, izay niandry omby tany an-tsaha. Namoy ny ainy niaraka tamin’ny omby iray ny ankizilahy roa (18 sy 14 taona) tamin’izy ireo. Naratra kosa ny ankizilahy iray (16 taona) fanintelony ary efa nahazo fitsaboana ka tsy misy hatahorana ny ainy, raha ny angom-baovao voarain’ny zandary misahana ny famotorana any an-toerana. Tonga teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany, ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Analavory, niaraka amin’
ny mpitsabo taorian’ny antso azon’izy ireo afakomaly. Tonga teny an-toerana ihany koa ny ben’ny Tanàna. Efa nentin’ny fianakaviana tany an-trano fonenany avokoa ireo razana, taorian’ny loza.
May ny eo afovoan’ny tratrany
Misy faritra may eo afovoan’ny tratran’ny iray tamin’ ireo ankizilahy maty nilatsahan’ny varatra ireo, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Tsy nisy ratra na famantarana ny nahamay ny varatra azy kosa ny iray faharoa. Tsy nisy ratra na may ihany koa ny an’ilay ankizilahy fanintelony, izay velona soa aman-tsara. Nitarainany ho naharary azy mafy kosa ny ao amim’ny kibony sy ny lamosiny.
Nisesisesy ny tranga
Ankoatra izay, mpivady (40 sy 37 taona) ihany koa niara nilatsaham-potaka tany Antandrokosy Ambalamena, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina, afakomaly. Teo am-pamahanana sakafon-kisoa ilay renim-pianakaviana no nipoaka tampoka ny varatra ka namely azy. Handeha hiakatra any ambony rihana hijery ireo zanany efatra mianadahy kosa ilay raim-pianakaviana no tra-doza. Marihina fa efa tsy latsaky ny sivy ireo olona maty nipoahan’ny varatra tao anatin’ny herinandro izay. Anisan’ny nahitana izany ny tany Lalangiana, Analavory, Anjozorobe. Matetika olona hamonjy fodiana sy ao an-trano ireo niharam-boina ireo.
Mino




