Hotanterahina ny 10 hatramin’ny 13 febroary, any Nuremberg-Alemaina, ny varotra fampirantiana iraisam-pirenena ho an’ny vokatra biolojika na ny « Biofach ». Hetsika hampahafantarana sy hanomezan-danja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Rafitra ivondronan’ireo mpiantsehatra amin’ny famokarana biolojika. Tanjona ny hanamorana sy hanatsarana ny fahatongavan’ny vokatra biolojika any amin’ny tsena, miainga amin’ny famokarana amin’ny alalan’ireo tantsaha, ny fanodinana ara-indostrialy, hatramin’ny fahatongavan’ny vokatra eny an-tsena. Ho an’i Madagasikara, « kely ny vokatra eto amintsika raha oharina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy ny filohan’ny sendika malagasy ho an’ny vokatra biolojika (Symabio), Randriarilala Tahina. Araka izany, mbola malalaka ny lalam-pihariana. Midadasika ny toeram-pamokarana eto Madagasikara ary manana ireo singa ahafahana mamokatra izany isika. Kihon-dalana stratejika ho an’ny Malagasy mpamokatra ny Symabio. Manentana ny mpiara-monina hanjifa ny vokatra eto an-toerana ny antom-pisiany mba hanohanana ny mpamokatra, manampy ihany koa amin’ny fidiram-bolan’ny tantsaha, raha ny fanazavana hatrany.
Miisa 18 ny orinasa handray anjara amin’ny salon Biofach amin’ity andiany fahatelo ity, raha toa ka orinasa 10 izany tamin’ny teo aloha. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra 350 tapitrisa dolara ny vokatra biolojika naondran’i Madagasikara. Tsara ny vokatra satria nitombo 10% mihoatra ny tamin’ny taona 2024. Manohy ny ezaka hampiroboroboana ny famokarana biolojika ny minisiteran’ny Fambelona sy ny fiompiana, hahafahan’i Madagasikara mampitombo ny vokatra, hanandratana ny toekarena.
Henintsoa




