Airtel- ESCM : Fifehezan’ny tanora ny niomerika

Fiaraha-miasan’ny tsy mi­ankina sy ny fampianarana ambony. Miara-miombon’antoka ny orinasa Airtel Mada­ga­sikara sy ny sekoly ambony ESCM Business School. Misy efitrano natokana hianaran’ny mpianatra miisa 50 ao amin’ity toeram-pampianarana ity. Afaka mampiasa tambajotra internet maimaimpoana ao ny mpianatra, hifehezana ny se­hatry ny niomerika bebe kokoa. Horaisina hianatra asa ao amin’ny Airtel ny mpianatra, hidirana tsikelikely ao anatin’ny tontolon’ny asa sady hampiharana ny fianarana. Hisy ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra samihafa ataon’ny ma­nam-pahaizana sy ny teknisianina avy amin’ny Airtel. Hova­tsiana fitaovana sy antontan-kevitra ny mpianatra.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Anne Cathérine Tchokonté, fa « eo anilan’ny tanora mandrakariva ny orinasa tantaniny. Manan-danja ny fiovana mankany amin’ny niomerika. Mino izahay fa manana ny anjara tandrify azy ny tanora tsirairay, hanamafy ny fahaiza-manaony, ho fampandrosoana an’i Madagasikara ».
Ho an’ny tale jeneralin’ny ESCM Business School, Ranjatoelina Jonathan, kosa « adidinay ny manome fampiofanana mifanaraka amin’ny toetrandro, mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa. Omena lanja ny traikefan’ny asa, ny fikarohana zava-baovao ary ny fampianarana avo lenta ».

Njaka A.

Partager sur: