HCC : Nankatoavina ny famokarana sy fivarotana toaka gasy

Nahabe resaka sy adihevitra talohaloha teo… Amin’izao, nankatoavin’ny HCC ny lalàna momba ny famokarana sy famarotana toaka gasy. 44 % ny tahan’ny alikaola farafahabetsany…

Mifanaraka amin’ny la­làm­panorenana ny lalàna lah. 2025-020 momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy ato anatin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Io ny fanapahana lah.01-HCC/D3, And. 2, navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, momba ny famokarana sy famarotana toaka. Ampandrenesina amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izany, ny filohan’ny Antenimi­eram­pirenena sy ny Praimi­nisitra ary ny filohan’ny Ante­nimierandoholona mpisolo toerana ny fanapahan-kevitra. Havoaka ao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika ihany koa. Notsiahivin’ny HCC fa io lalàna momba ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy eto amin’ny tanin’ny Malagasy io dia nolanian’ny Antenimi­erampirenena sy ny Antenimi­eran­doholona tamin’ny fivorian’izy ireo ny 18 jona 2025 sy ny 2 desambra 2025.
Kendrena hanara-dalàna ny toaka gasy amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra ara-dalàna amin’ny famokarana sy ny fivarotana ary ny fitsinjarana io zava-pisotro misy alikaola vokarina amin’ny fomba nentim-paharazana malagasy io. Amin’ny alalan’ny famorivoriana sy/na fanasitiliana ny akora na tantely avy amin’ny zavamaniry izany. Araka ny And. 37 amin’ny lalàmpanorenana, miantoka ny fahalalahan’ny orinasa ao anatin’ny fetran’ny fanajana ny tombontsoam-bahoaka, ny filaminam-bahoaka sy ny fitondrantena ary ny tontolo iainana ny Fanjakana. Rehefa manome fomba fanomezan-dalana mi­aloha ho an’ny famokarana ny zava-pisotro, manara-maso ny akora ampiasaina, nanapa-kevitra ny hanara-penitra ny fomba famokarana ary mametraka fenitra ara-pahasalamana hafa fehezin’ny manampahefana ara-pahasalamana eo ambanin’ny mi­nisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ao anatin’izany ny famerana ny votoatin’ny alikaola ho 44% farafahabetsany.

R. Nd.

Partager sur: