Voatendry ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) Andriniaina Rabarisoa. Natsangana koa ny filankevi-pitantanana nohavaozina, ahitana solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Andrasana hanamafy ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola sy hisarihana azy ireo ho maro kokoa eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, ity fanendrena ity.
Nanamafy ny fanohanana ny tetikasa Volobe ny Fanjakana, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël. Tanjona ny famokarana angovo madio sy maharitra. Mitohy eny an-kianja ny asa ataon’ny CGHV sy ny mpiara-miombon’antoka, manafaingana ny fanatanterahana sy mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana maitso sy herinaratra ho an’ny rehetra.
Zana-trondro tilapia tsara kalitao miisa 6 300 avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) no nozaraina tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ho fanohanana ireo mpiompy trondro. Mbola hisy andiany faharoa, miisa 9 200, hozaraina amin’ny faran’ny volana janoary. Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa sy ny fanamorana ny fitaterana nataon’ny tetikasa Asam sy ny ONG HIH.




