Mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, nosokafan’ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Léonne, ny atrikasa momba ny fandraisana mpiasa ho atsy Maorisy.
Nivoitra, tamin’izany, fa ilaina ny atrikasa tahaka izao hametrahana ny ara-dàlana sy ny etika amin’ ny fandraisana mpiasa, “Récrutement éthique”, hiondrana atsy amin’ny Nosy Maorisy.
Nambaran’ny minisitra fa anisan’ny tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana Malagasy mpiasa mihazo an’io firenena akaiky antsika io. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena. Manampy izany ny zo fototra maha olona ary ny arakasa ho an’ireo mpiasa ireo.
Mihamaro an’isa hatrany ireo tanora, Malagasy, mandeha miasa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Niaiky ny rehetra fa hita matetika eny amin’ ny haino aman-jery sy tambajotran-tserasera ny momba ny sasany amin’izy ireo. « Iharan’ny fampijaliana sy ny tsy fanajana ny zony ny maro amin’izy ireo », hoy ireo mpivory.
Manoloana izany, nanterin’ny minisitra fa ilaina ny hanatsarana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera misahana ny Asa eto Madagasikara sy ny minisitera misahana ny Asa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Anisan’izany ny fandrindrana ny fifindra-monin’ireo Malagasy mpiasa ho fiarovana azy.
Hapetraka ny lalàna ho an’ireo « Agence »
Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny paikady amin’ ny fanatanterahana ny fifanaovan-tsonia momba ny sehatry ny asa eo amin’ny firenena roa tonta “Accord bilatéral de travail”. Harafitra amin’ izany koa ny volavolana didim-panjakana momba ireo masoivoho mpisehatra amin’ny fandefasana mpiasa any ivelany « Agence de récrutement ».
Tsiahivina fa naharitra roa andro ny atrikasa ary niarahana tamin’ny OIM Madagascar sy ny avy atsy Maorisy ary ny avy ao Seychelles izany. Manampy azy ireo ny minisiteran’ ny Asa sy ireo solontenan’ny minisitera voakasiky ny fifindra-monina arakasa. Anisan’izany koa ny sehatra tsy miankina sy ny solontenan’ny minisitera misahana ny asa avy atsy Maorisy.
Synèse R.




