Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, tratra tao amin’ny toeram-pisotroana zava-pisotro iray teny Tanimenabe io lehilahy io, tamin’ny 9 ora maraina. Nosamborina, ary nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena avy hatrany.
Niaiky ny heloka nataony ity farany taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy. Nampiasa karapanondro malagasy sandoka ihany koa izy, nandritra ny fisavana sy ny fanadihadiana nnatao taminy. Mbola voamarina fa tsy ara-dalàna ny fijanonany eto Madagasikara. Hatolotra ny fampanoavana ny tenany aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filami­nana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: