Hita faty teny an-tanimbary, tao Bekitrobaka, Antsohihy, ny raim-pianakaviana (tale misahana ny fizahantany, faritra Sofia teo aloha), afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Niala tao an-tranony hoany amin’ny tanimbariny izy, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Tsy mbola tonga tao an-trano anefa izy na dia efa hariva aza ny andro ka nampanahy ny fianakaviana. Natao ny fikarohana ary efa alina vao hita nihosom-potaka teny amin’ny manodidina izy. Efa tsy nisy aina intsony, vaky voafira tamin’ny antsy ny lohany, feno ratra ny vatany, tamin’ny fotoana nahitan’ny fianakaviana azy. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana taorian’izay. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo. Heverina ho efa maraina tamin’ny 10 ora tany ho any no tapitra aina, noho ny ratra mafy nahazo azy, io lehilahy io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Ankoatra izay, renim-pianakaviana iray hafa koa hita faty tao an-trano fonenany, tany Ampanotokana, fokontany Ampitiliana, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. Nahitana tsindron’antsy ny vatany. Raha ny angom-baovao voarain’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsinjoarivo Imanga, nisy olona nandondona tao am-baravarany, ny hariva, talohan’io tranga io. Nilaza ilay olona fa hanatitra zavatra avy any amin’ ny délégué. Tsy fantatra ny zava-nitranga fa izao hita faty izao ny tenany. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ny raharaha sy hamantarana ny nahavanon-doza.
Mino




