Mahatsiaro tena ho tsy misitraka feno ny zo ara-pananahana ireo vehivavy manana fahasembanana, raha ny nambaran’ny solontenan’ izy ireo, Raharivelo Lala, ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara, Afham.
Tsy mbola tafita tsara ny hafatra ho amin’izany sy ny fiterahana izay tokony hositrahin’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mbola tratran’ny fanavakavahana amin’ ny sehatry ny fahasalamana ary mahatsapa fa mbola alavitra ny fanatrarana ny zo ara-pananahana izy ireo.
Voalohany, ny tsy fahafahana miditra any amin’ny toeram-pitsaboana noho ny fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny fahafahan’izy ireo mivezivezy, toy ny tohatra.
Maro ireo mbola mihevitra azy ireo fa tsy tokony hanana tokantrano na fahatsapana ara-pitiavana na filana fa mihevitra azy ireo ho olon-kafa sy vesatry ny fiarahamonina.
Raha ny zo ara-pananahana, malalaka ny safidin’ny olona tsirairay ary tsy terena fa tokony hanana safidy amin’ ny hitondrany ny tenany sy ny filany. Ny fianakaviana nefa matetika no mibaiko sy mandidy ny safidin’izy ireo. Ny olona no manapaka fa tsy mety amin’ireo olona manana fahasembanana ny miteraka satria manampy ny vesatra izay heveriny ho efa misy.
Tatiana A




