Mois : janvier 2026

Minisiteran’ny Asa: Hisy tolotrasa ho DG an’ny Cnaps

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Asa, ny fampanana asa ary ny asam-panjakana, Florent Soatiana Bety Leonne, fa tsy maintsy hapetraka ny tale jeneraly vaovao (DG), hitantana ny Cnaps noho ny fahabangan-toerana. Anton’izany ny fametraham-pialan’ny mpitantana teo aloha. Manoloana izany, napetraka aloha ny fitantanana vonjimaika. «Tsy azo haato ny fandoavana karaman’ny […]

Lasa rivodoza mahery i Fytia : Efa miakatra be ny rano ao Mahajanga

Omaly tolakandro, tany amin’ny manodidina ny 238 km avaratra andrefan’i Besalampy no nisy ny foiben’ilay rivodoza Fytia. Niakatra ho 120 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 170 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianavaratra somary avaratra atsinanana ilay rivodoza Fytia, mahafaka 7 km isan’ora. Efa mipaka amin’ny faritra […]

Tanora Masina Itaosy : Hanomboka ny taom-pitoriana an-kira

Raikitra fa hisy ny «Santa­tra Fiderana 2026». Hotante­rahina rahampitso ny taom-pitoriana 2026 ho an’ny Ta­nora Masina Itaosy. Ao amin’ny fiangonana FLM Ambohi­masina Itaosy ihany no hanatanterahina izany. Hanombo­ka amin’ny 2 ora sy sasany ny fandaharam-potoana. Nanome toky ity antoko mpihira ity fa « hafana avy hatrany ity santatra fitoriana an-kira » ity. […]

Mariboninahitry ny kanto : Nankasitrahana ny Sorakanto

Randy Donny sy Fy nahazo ny “Commandeur”. Faly Ran, Holy Danielle ary Zo ny Aina notolorana ny “Officier” ary i Joachin Mickaël sy Damy Govina nomena ny “Cheva­lier”. Mariboninahitry ny kanto, ny Teny ary ny Kolontsaina ireo, izay nomen’ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, mivondrona ao amin’ny […]

Ligy Analamanga- Basikety : Vonona hiara-miasa amin’ny mpanao gazety

Manome lanja ny lafiny se­rasera ny ligin’Analamanga, ta­ranja basikety, tarihan-dRatovo­janahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny […]