Vonona hanohana ny fikaonandoham-pirenena ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny lehiben’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo izy ireo, omaly. Niaiky ny roa tonta fa ilaina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Hanampy amin’ny fifidianana koa ny UA. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny antoko Fy-M, […]
Mois : janvier 2026
Firaisamonina Mahitsy Fijery : « Takinay ny fanovana hatrany ifotony…
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Analakely ny firaisamonim-pirenena Mahisy Fijery, omaly. Nambaran’ ny filoha mpanorina, Ravololomanana Lalatiana, tamin’izany, ny hevitr’izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena. Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany. «Fanovana sa fanavaozana no hatao? Mitaky izahay ny fanovana hatreny ifotony. Hiady mafy ho amin’ny fametrahana izany izahay», hoy izy. […]
Manomboka sahady
Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka. Asa! Efa voaongana tokoa ve ny […]
Ady amin’ny kolikoly : Natomboka ny fanatanterahana ny drafi-pirenena
Manomboka amin’ny fomba ofisialy hatry ny omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisy ny fivoriana mahakasika izany teny Mahazoarivo. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisantarana izany ny fivoriana voalohany nataon’ny komity mpitantana. Teo […]
TSELATRA
Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny […]




