Raha vao misy tranga tsy fahita matetika, mahay zavatra ny Malagasy. Lafiny maro no ironan’ny saina amin’izay fotoana izay. Indraindray tsy tafatombina eo amin’ny tokony ho izy fa mijanona ho petra-kevitra fotsiny ihany.
Iraisan’ny firenena ambara ho tatsinanana ilay atao hoe “mahay zavatra”. Amin’ ny ankapobeny, lova niainga tamin’ireo fahalalan-javatr’ireo razambe no fototra ijoroany. Vanim-potoana naharitra no nodiaviny, hany ka zary zava-miafina ho an’ny taraka maro aty aoriana ny fisiany.
Manana izany lovabe izany ihany koa ny Malagasy. Raha misy ny tranga tsy mateti-piseho na vao sambany no nahitan’ny masony azy: “mahay zavatra ny Malagasy”. Hainy ny mamily lalana ny tangoron-drahona tokony hilatsaka ho orana. Hainy ny mandatsaka varatra amin’ny fotoana sy toerana tiany hanaovana izany. Hainy ny mamoha ilay hery lehibe ao anatin’ny zavamananaina rehefa ilainy ny manao izany. Iray amin’ireny ny fampiasana ny raokandro hitsaboana, sns.
Mahay zavatra tokoa ve ny Malagasy? Eny, raha miainga amin’ireo tranga ireo. Tsia, kosa raha ny zava-miseho eny anivon’ny fiarahamonina. Fa maninona no mbola tafiditra eo am-bohitra na any an-tanàna ny mpandroba sy ny mpanao ratsy raha tena mahay “zavatra” ny Malagasy? Fa nankaiza ny fanidim-bohitra sy ny famato tanàna?
“Nahay” zavatra ny Malagasy. “Nahay”, milaza vanim-potoana lasa. Fa ny ankehitriny? Ilay ambara ho “zavatra” na ny hevitra fonosiny mihitsy no miova. Tsy nahay nitazona ny anjara lovany (ilay “zavatra” mahasoa) ka mahay mivaro-panahy. Mahay mamotika ny mpiara-monina. Mahay mivarotra sy mamadika tanindrazana. Mahay mamono ny eritreriny. Mahay sy kinga amin’ny fanosoram-potaka sy fandrorana tsy maimbo, sns.
… Amin’izao vanim-potoana izao. Mahay “zavatra” tokoa ny Malagasy fa diso laharam-pahamehana, diso famindra, diso tetika sy paika, diso fahavalo, sns.
HaRy Razafindrakoto




