VAOVAO TAMBATRA

Nifampidinika momba ny fanampiana sy ny fanarenana ny sehatry ny fandraharahana tamin’ireo mpisehatra ao Toamasina ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina. Tsiahivina fa potika hatrany amin’ny 80% ity renivohitry ny toekarena ity taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Gezani. Simba avokoa ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasa samihafa, maro ireo mponina rava trano.

Mirefy 43 000 ha ny velaran’ny faritra mandon’i Amoron’i Onilahy any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara. Voasokajy ho “site Ramsar” izy ary mitana anjara toerana stratejika. Mangeja ny rano any ambanin’ny tany, manageja karbona ary miaro tondra-drano sy amin’ny fiontsanan’ny tany.

Hanampy amin’ny fanaraha-maso ireo fanampiana ireo traboina ao amin’ny faritra atsinanana ny vovonana SoftSolidarity. Tetikasa niomerika novolavolan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Mangarahara tanteraka izany satria azon’ny tsirairay arahi-maso avokoa ireo fanampiana samihafa omena ho an’ireo mponina.

Partager sur: