Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny sidina anatiny ny kaompania Madagascar Airlines manoloana ny resabe momba izany. Nambarany fa miankina amina toe-java-maro ny saran’ny sidina, toy ny fotoana fanjifana ny tapakila, ny fahafenoan’ny sidina ary ny fepetra mifandraika amin’ny tapakila tiana vidina. “Entina hanatsarana ny fitaterana ana habakabaka ny hetra samihafa aloan’ny mpanjifa”, raha ny fampitam-baovao navoakany. Manamora ny fahafahan’ny rehetra hanjifa ny tapakila ho an’ny sidina anatiny ihany koa ny kaompania ka mahatonga azy miara-miasa akaiky amin’ny fanjakana. Araka izany, vonona hanatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omeny ny Madagascar Airlines ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Tsiahivina fa mbola anatin’ny fanarenana ny kaompania ireo tomponandraikitra. Ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka izany. Na izany aza, miantso ny hanokafana ny fifaninanana ny mpanjifa mba hanamorana ny saran’ny tapakila.
Henintsoa




