Manan-danja lehibe sady mila atao isan’andro ny lafiny serasera entina hampahalalana ny mpanjifa, toy ny orinasa, ny rafi-panjakana na tsy miankina, ny fikambanana iray. Izay no nahatonga ny fiaraha-miasan’ny orinasa malagasy Becom sy ny orinasa avy atsy La Réunion, Stratégie & Territoire Océan Indien, nandrafitra ny Positive Brand Madagasikara. Fomba fiasa ahitana ny paikady samihafa, entina hahombiazana amin’ny lafiny serasera, izay sambany nisy teto amintsika. Nambaran-dRakotomalala tantely, CEO sady mpanorina ny Becom, fa entina hanampiana ny mpanjifa, ny orinasa, ny tetikasa, ny rafi-panjakana, ny fikambanana, hampahafantarana sy hampisongadinana ny maha izy azy ny Positive Brand. Manana ny paikady sy fenitra mila arahina amin’ny lafiny serasera ny Positive Brand.
Tanjona ny hampivoarana azy ireny bebe kokoa. Vokatra andrasana ny hahitana, ny hahatsapana ny fiantraikany amin’ilay rafitra mampihatra azy.
Nanamafy izany, Ramatoa Catherine Payet, CEO sady mpanorina ny Stratégie & Territoire, fa mila hampifanarahana amin’ny vanim-potoana ny lafiny serasera. Natao ity fiaraha-miasa amin’ny Becom ity, satria ilaina izany hanomezan-danja ny serasera aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Njaka A.




