Sokajy zandriny : Hifantina mpilalao handrafitra ny Akio 

Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 10 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana nasionaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny, cadet sy juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany io fifanintsanana nasionaly io, satria, mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianina anivon’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy zandriny. Marihina fa hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena « IHF Trophy » aty amin’ny faritra fahafito, izay hatao eto Antananarivo, ny 27-31 mey ho avy izao, ny Mala­gasy raha tsy misy ny fiovana farany. Aorian’ny fifaninanana nasionaly io, hisy fampivondronana roa hataon’ny eo anivon’ny FMH. Ny voalohany, hatao ny 12-18 avrily. Hotanterahina ny 16-24 mey ho avy izao kosa ny faharoa, eto Anta­nanarivo ihany. Tsy mbola navoaka ny anaran’ny mpanazatra hitantana ny ekipa nasionaly amin’izany. Ankoa­tra izay, fantatra izao fa nahazo fankatoavana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena ny rafitra federaly malagasy tarihan’ny filoha Ratsiman­dao Andriamanga Herilovasoa Andrianisainana. Naharay fanasana sahady hiatrika ny fitokanana ny fotodrafitrasa ho an’ny handball any Suisse izy, ny 6-8 mey ho avy izao. Tsy izay ihany, tafiditra anatin’ny Cellule Beach Hand an’ny Federasionina afrikanina CAHB, ny tale teknika nasionalin’ny FMH, Tsiahoua Syl­vestre. Mahakasika ny tohin’ny CCOI indray, nilaza ny filohan’ny federasionina fa ny filoha aty amin’ny ranomasimbe Indianina, HBOI, no tompon-teny farany amin’izany.

Fitia  Randria

Partager sur: