Nolavina ny fangatahan’ny sambo mpanjono, Albacan, handevina ireo lamatra simba milanja 60 taonina ao anatiny, any amin’ny faritra Diana. Misy fofona gazoala ny toeram-pitehirizina misy ireo trondro ireo. Voalaza fa nahasimba ireo vokatra ny fampiasana ny ranomasina nentina nanalana ny hatsiaka. Ho alefa, araka izany, ilay sambo. Raisina ihany koa ny fepetra tsy ahafahany manary ny entana any anaty ranomasina.
Misokatra ho an’ny rehetra ny fidirana ho manamboninahitra tantsambo ara-barotra. Mandalo fifaninanana ary mianatra eny anivon’ny École nationale maritime (ENM) ao Mahajanga izay liana rehetra, raha ny fanazavan’ny Fikambanan’ny manamboninahitra tantsambo ara-barotra (AOMMM). Azo jerena eny amin’ny APMF ny fampahafantarana momba izany.
Miisa 167 ireo mpizahatany tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Diégo-Suarez, nentin’ilay sambo frantsay Le Bellot. Nitsidika an’i Ramena mba hankafy ny hakanton’ny torapasika sy ny tontolo voajanahary mampiavaka azy ny ankamaroan’ireo mpandeha. Nisy koa ireo nitsidika ny tanànan’i Diego mba hahalalany bebe kokoa ny tanàna.




