Tantsambo ara-barotra: Asa misokatra ho an’ny rehetra

Manentana ny hidiran’ny vehivavy ho manamboninahitra tantsambo ara-barotra ny AOMMM, hampivoarana ny fahaiza-manaony sy hampifandanjana ny miralenta ao anatin’ny sehatra sy hanaporofoana fa asa misokatra ho an’ny rehetra ny asana tantsambo ara-barotra.

“Asa misokatra ho an’ny rehetra ny tantsambo ara-barotra”, araka ny fanambarana nataon’ny fikambanan’ny manamboninahitra tantsambo ara-barotra eto Madagasikara (AOMMM). Na izany aza, namafisiny fa mila mahafeno ny fepetra takina ireo mpifaninana raha te ho lasa manamboninahitra. Toy ny fananana fahaiza-manao ara-teknika sy matihanina tanteraka amin’ny sehatra hiasany. Ankilany, na misokatra amin’ny rehetra ny asana manamboninahitra tantsambo ara-barotra dia mbola vitsy ny vehivavy misehatra amin’izany. Tanjon’ny fikambanana, araka izany, ny handrisihana ny vehivavy hiantsehatra amin’ny asana manamboninahitra tantsambo mba hampitoviana ny miralenta sy hanohanana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy malagasy. “Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny ranomasina ny vehivavy”, hoy ny filohan’ny Association of Women Managers in the Maritime Sector in Eastern and Southern Africa (WOMESA) Madagascar, Andriantsoa Hanitra. Notsindriany manokana fa tena mbola vitsy ny vehivavy ao amin’ity sehatra ity izay latsaky ny 19% monja ireo miasa an-dranomasina maneran-tany ary manodidina ny 1% ireo miasa an-tsambo. Antony indrindra nijoroan’ny AOMMM izay nametraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny asana manamboninahitra ho an’ny vehivavy amin’izao fotoana.
Sehatra
“Nampivelatra sy nanampy ahy hanana fitsipika hentitra, mifototra amin’ny matihanina sy mikatsaka hatrany ny fahombiazana ny maha ma­namboninahitra ahy”, hoy ny filoha lefitry ny AOMMM, Ratolojanahary Bodo. Nason­gadiny tamin’izany ireo andraikitra sahaniny. Nambarany fa apetraka ho laharam-pahamehana ao anatin’ny fanapahan-kevitra raisina ny fiantohana sy ny fahombiazana. Anisan’­ ireo mpiofana manamboninahitra hamiratra amin’ny ho avy ihany koa Randriaharima­nantsoa Maminia­ina Blandine, 22 taona. “Efa hatramin’ny fahazazako aho no naniry ho lasa manamboninahitra amin’ ny sambo ara-barotra na dia any amin’ny faritra lavitry ny ranomasina aza ny fihaviko, tsy misy tantsambo ihany koa ny fianakaviako”. Nambarany fa noho ny fitiavany ny tontolo an-dranomasina sy ny andraikitra sahanina ao anatin’izany no nahatonga azy nisafidy ny lalam-piofanana. “Tiako ho porofoana fa ny fanànana ny fahaiza-manao sy fitsipi-pipehezana ary ny fahaiza-mitarika dia tsy miankina amin’ny maha lahy na maha vavy”, raha ny fanazavany hatrany. Marihina fa mbola ny École Nationale d’Enseignement Maritime (ENEM) ao Maha­janga ihany no manofana ny manambonihitra tantsambo ara-barotra eto Madagasikara. Eo ambany fiahian’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF) kosa ny fifaninanana.

Henintsoa

Partager sur: