Tombola Cosmos Madagascar : Nomen-danja manokana ny mpanjifa

Nanome valisoa sy loka manokana ho an’ireo mpanjifany ny Cosmos Madagascar. Tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tombola roa lehibe, tombola krismasy sy fankalazana ny faha-10 taona izany. Natao teny amin’ny Paon d’Or Ivato, afakomaly, ny fizarana izany ho an’ny teto Anta­nanarivo. Ny 5 marsa lasa teo kosa ny fizarana ho an’ny faritra hafa. Olona manodidina ny zato no nisitraka ny loka, izay voasokajy ho mpandresy tamin’izany. Niparitaka manerana an’i Madagasikara ireo nahazo loka, anisan’izany An­tananarivo, Toamasina, Ma­ha­janga, Toliara, Antsira­nana, Sambava, Taolagnaro, Ambi­lobe, Antsohihy, Fianarantsoa ary Antsirabe. 59 isan-jaton’ireo mpandresy no monina eto Antananarivo. 41 isan-jato kosa tany amin’ny faritra.
Nanomboka ny 3 desambra 2025 hatramin’ny 18 janoary 2026 lasa teo ny fisarihana tamin’ny Tombola krismasy. Nanomboka ny 17 Septambra ary nifarana ny 25 Septambra 2025 lasa teo kosa ny tombola fankalazana ny faha-10 taona.
Nahazo ny loka lehibe indrindra Rabakoson Mano­hisoa, izay nividy entana tao amin’ny magazay Cosmos Ankorondrano. Nahazo fitsangatsanganana ho an’olon-droa any Dubai ny tenany. Ankoatra izany, nisy ny nahazo fahitalavitra, vata fampangatsiahana, kodiarandroa ary bon d’achat mitentina 1 tapitrisa ariary.
Tsiahivina fa natao tao amin’ny TV Plus Madagascar, ny 18 febroary 2026 lasa teo ny fisarihana ireo olona nandresy rehetra ireo.

Mino

Partager sur: