Toamasina: Nojerena ireo fotodrafitrasan’ny MEF mila fanarenana

Nijery ifotony ireo fotodrafitrasan’ny minisitera, rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny faran’ny herinandro teo. Potika tanteraka ireo fitaovana iasan’ny mpiasa, izay iankinan’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Mano­loana ireo, nanolotra fitaovana maro ny minisitera foibe, toy ny solosaina miisa 62, solosaina entin-tanana miisa 8. Eo koa ny latabatra miisa 123 sy kojakoja miaraka aminy. Miampy vata fampirimana antontan-taratasy miisa 85, kojakoja informatika, sns.
Noho ny fahasimban’ny biraon’ireo mpiasa any Toa­masina, natoby ao amin’ny tranobe, Hotel des Finances, ny ankamaroan’ny biraon’ny minisitera sy ny rantsamangaika samihafa any an-toerana, eo ambany fiahian’ny mi­nisitera foibe MEF.
Nandritra ny fihaonan’ny mi­nisitra tamin’ny mpiasa, nampahatsiahiviny ireo andry telo lehibe iorenan’ny minisitera. Ny fampandehanana ny toekarena, ny fitsinjarana ny fandaniana mba hitondra vo­katra bebe kokoa ary ny fampidiram-bola amin’ny kitapombolam-panjakana.
Ankoatra ireo, nitsidika ny Oniversite Barikadimy ihany koa ny tenany, niaraka tamin’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny solontena ma­haritry ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika.

Njaka A.

Partager sur: