Mahatratra 98,44 dolara ny vidin’ny iray barila (1b= 159 l) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly alatsinainy 9 marsa. Tsiahivina fa mbola 68 dolara/b ny vidiny tamin’ny volana feboary 2026 teo. Nidangana tampoka izany raha vao nanomboka ny ady eo amin’i Iran sy Israelianina ampian’ny amerikanina, ny faran’ny volana febroary teo. Ahina mbola hitohy io fiakaram-bidy io raha tsy mbola mitsahatra ny ady any Moyen-Orient.
8 000 ha ny velaran-tany hametrahana ny tetikasa “Agropole” any Bongolava. Any Ampamoizakova, distrika Tsiroanomandidy, no hananganana azy io. Tetikasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, iarahana amin’ny FAO. Mampiavaka ny Agropole ny hampiasana ny fomba famokarana maoderina, hampiroboroboana ny fambolena azo ahodina, mifanaraka amin’ny filan’ny tsena (Agro-business).
Nitohy ny fihaonan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany amin’ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana. Ireo mpitrandraka anaty tetikasa vaventy (PE) no nihaona tamin’izy ireo, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny noresahina ny lalantsaina iorenan’ny volavolan-dalàna hifehy ny tetikasa vaventy. Tanjona ny hanomezana antoka ny mpisehatra, hanana tetikasa maharesy lahatra ireo mpamatsy vola.




