Atao eto Antananarivo, ny 9-12 marsa, ny fivoriamben’ny Vovonana hampiroboroboana ny fambolem-bary aty Afrika (Card). Miisa 32 ny firenena mpikambana ka anisany i Madagasikara.
Miara-mivory amin’ity andiany faha-21 ity ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka amin’ ny sehatry ny vary. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo aty Afrika sy hampiroboroboana ny fambolem-bary. Hamafisina, noho izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpikambana sy ny amin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Ho volavolaina ny famolavolana ny Paikadim-pirenena hampandrosoana ny fambolem-bary (NRDS).
Ho an’i Madagasikara, mahatratra 5,17 taonina/taona ny vary akotry vokarina, amina velaran-tany 1,828 tapitrisa ha. Manodidina ny 2,6 t/ha ny salam-bokatra miakatra, miantoka ny 80% ny filana eto an-toerana. Mamboly vary ny 82% ny tokantrano malagasy.
Nilaza ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Randriambololona Tiana Fabien, fa tanjon’i Madagasikara ny hampiakarana 20% ny tahan’ ny voka-bary sy ny fanitarana ny tanimbary ambolena, satria tsy ampy betsaka ny vokatra. Anisan’ny fizarana traikefa nataon’ireo nanao famelabelarana ny fahombiazana tany Azia, satria nampitomboin’ny fanjakana ny tetibola ho an’ny fambolena. Koa, tokony hampitomboin’ny fanjakana toy izany koa ny eto amintsika.
Avo roa heny amin’ny 2030
Tanjona iombonan’ny Crad ny hampitomboana avo roa heny ny voka-bary aty Afrika, hatramin’ny taona 2030. Nilaza ny masoivohon’i Japana, i Hitoshi Tojima, miasa eto Madagasikara, fa manohana ity fandaharanasa ity ry zareo, satria zava-dehibe izao atao izao, hampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny vary aty Afrika, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Manohana ny Crad daholo ireo rafitra iraisam-pirenena miaraka amin’ny fandaharanasa na tetikasa ara-tsakafo maneran-tany, toy ny Banky iraisam-pirenena, ny FAO, ny Pam, ny Africa Rice, ny Jica, ny IRRI, sns.
Njaka Andriantefiarinesy




